Airtel Money-Cart’In: azo aloa amin’ny finday ny entan’ny Amazon

Vita sonia ny 11 novambra teo, ny fifanarahana eo amin’ny orinasa Airtel money sy ny Cart’In. Azo atao, ankehitriny, ny man­doa ny vidin’entana any amin’ny tranombarotra lehibe any ivelany Amazon, amin’ny alalan’ny finday. Tanjon’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny ha­­nomezana tolotra sahaza ny re­hetra sy azo antoka, hampitomboana ny fikirakirana ara-bola.
Nambaran’ny tale jeneraly (DG) ny Airtel money, Randrianarison Heritiana, fa «fivoarana lehibe izao satria hanamora ny filana andavanandron’ny mpanjifa eto Ma­da­gasikara ny fahafahana mi­vidy entana amin’ny tranombarotra Amazon amin’ny niomerika. Tsotra sady azo antoka ary haingana, ny fampiasana azy».
Hampivoatra ny varotra
iraisam-pirenena
Hampiroborobo ny varotra sy ny fifanakalozam-bola niomerika ity fiaraha-miasan’ny Airtel money sy ny Cart’In ity. Hanova sy hampivoatra ny tontolon’ny teknolojia eto amintsika. Manitatra ny tolotra sy ny karazan’entana azo isafidianan’ny mpanjifa. Hanosika ny toekarena anatiny sy hampirisika ny tontolon’ny fikarohana niomerika sady hampiroborobo ny tsena iraisam-pirenena sy ny fikarohana zava-baovao hatrany. Satria, nisy ny entana na tolotra any ivelany tsy afaka nojifain’ny eto Madagasikara.

Njaka A.

Partager sur: