Manomboka anio ny fotoan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna izay hatao amin’ny 11 desambra. Efa nisy ny kandidà nilaza sahady ny fisian’ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Manoloana izany, manentana izay nahita sy nandre ny fandikan-dalàna ny Ceni mba hanao fitarainana eny amin’izy ireo.
Voakasik’izany koa izay mety ho fandikan-dalàna mandritra ny fampielezan-kevitra. “Manana andraikitra amin’ny firaketana izany an-tsoratra ny Ceni, ary mampiakatra izay endrika fandikan-dalàna izay any amin’ny fitsarana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, raha nanontaniana ny amin’izay tokony hatao. Tsy azo atao, ohatra, izay mitovy
amin’izay voararan’ny lalàna amin’ny fotoana andavanandro, na misy na tsia ny fampielezan-kevitra: ny fanompana olona, ny fihantsiana, ny fanentanana hikorontana. Tsy azo atao izany mandavan-taona, vao mainka amin’ny fotoam-pifidianana. Voafaritry ny lalàna ny sokajin’olona tsy mahazo manao fampielezan-kevitra, araka ny fanazavany. Raha manao izany izy, tsy maintsy mametra-pialana. Toy ny fisian’ny minisitra nametra-pialana tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, fa nandray anjara tamin’ny fampielezan-kevitra izy ireo. Tsy tokony hiandany ny mpiasam-panjakana na inona na inona faharesen-dahatra ananany.
R. Nd.