Niara-nijery ny olana momba ny fanafarana ireo fanafody sy kojakojam-pahasalamana ny Unicef sy ny Alliance mondiale pour la facilitation des échanges (GATF) ary ny governemanta malagasy tao anatin’ny atrikasa roa, teto Antananarivo sy Toamasina. Nandray anjara ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ny mpiray ombon’antoka, nidinika ny vahaolana. Betsaka ny sakana tsapa, toy ny vesatry ny fikirakirana ny antontan-taratasy sady mitaky fotoana maharitra ka mitarika tsy fisian’ireo fanafody sy kojakojam-pahasalamana ireo amin’ ny fotoana ilana azy, araka ny fanazavana. Lasa mandringa ny asam-pitsaboana rehefa tsy tomombana ny fitaovana sy ny fanafody, indrindra eny ifotony.
Naharitra hateloana ny famaritana ny olana mampitarazoka ny asa sy ny fijerena ny dingan’ny famatsiana rehetra. Nitsidika teny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina mihitsy ny tomponandraikitry ny Unicef sy ny GAFT ahafantarana ny zava-misy eny an-toerana. Satria, eo no mivantana ny entana rehetra entin’ny sambo miditra eto Madagasikara.
Nisy ny tolo-kevitra fanatsarana sy fanafainganana ny asa ho an’ny taona 2024-2025, izay hampiharina avy hatrany ho an’ny famoahana ny fanafody sy ny kojakojam-pitsaboana eny amin’ny fadin-tseranana.
Vonjy