Nijery ifotony ireo ivontoeram-panofanana mandrafitra ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ao amin’ny distrikan’i Fandriana, faritra Amoron’i Mania, ny minisitra mpiahy, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ny faran’ny herinandro teo. Ivontoerana roa dia ny CFPF sy ny LTP Fandriana no notsidihiny nandritra izany. Nahafahana namantatra ireo hetahetan’ny ivontoerana amin’ ny lafiny fampiofanana sy ireo olana sedraina tsy hahatomombana ny fampianarana ny fihaonana tamin’ireo mpitantana sy ny mpampiofana. Nambaran’ny minisitra mpiahy fa vonona hanome tanana ny minisitera foibe, hampiakarana ny kalitaon’ny fampiofanana.
Ankoatra izay, nisy koa ny “Marathon de formation” tao amin’ny Centre socio-culturel Fandriana, izay natrehin’ny minisitra niaraka tamin’ireo solontenam-panjakana ao an-toerana. Tanora miisa 1 627 no notolorana fampiofanana faobe momba ny fanamboarana paty gasy, savony, labozia ary savoka. Misy avy hatrany taorian’ny fiofanana ny fanolorana mari-piofanana ho an’ ireo rehetra nandray anjara.
Tanjon’ny fampiofanana ny hampivelatra ny fahaiza-manaon’ny tsirairay amin’ny famokarana vokatra azo hamidy sy hahafahana manao asa velon-tena. Nandritra ny “Marathon de formation” koa no nanolorana ny mari-piofanana ho an’ireo tanora miisa 2 244 nanaraka fiofanana faobe nokarakarain’ny CFPF Fandriana nanamboatra savony, momba ny fiompiana akoho gasy ary fanamboarana mofo (pizza, brioche, toast, firafira).
Vonjy