INDRAY MIJERY

Boky miisa 15 000 amin’ny taranja SES no
hozaraina ho an’ireo kilasy T10, T11, T12 eny amin’ny Lycée manerana ny Dren 23. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fizarana izany, tao amin’ny Lycée J J Rabearivelo Antananarivo. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa EduSCAC eo anivon’ny masoivoho frantsay ny fahazoana izany ka ny foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny fitaovam-pianarana no miandraikitra azy.
Ny delegasiona malagasy notarihin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany, niaraka tamin’ireo solontena avy amin’ny BNGRC, CPGU DGM, DMGRC no nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ny vovonana fahasivy ho an’i Afrika momba ny fampihenana ny loza tany Windhoek Namibie, ny volana okbora teo. Fotoana nanehoan’ireo teknisiana tsirairay ny fahaiza-manaontsika izany.
Anisan’ny mampiparitaka haingana ny aretina bilarziozy ny fangerena ankalamanjana satria entin’ny ro­tsakorana mivarina amin’ny renirano ampiasaina ny otrikaretina raha mararin’ny bilarziozy ilay olona. Vahaolana iray hampihenana ny aretina ny fanentanana ny mponina hampiasa kabone na fotodrafitrasa hisorohana ny fiparitahan’ ny tay.
Isaky ny 16 novambra ny hetsika “Love day” fanaon’ny Aquarelle ao Antsirabe, notanterahina tao amin’ ny EPP Mahazoarivo I niaraka tamin’ny rantsan’ny Autisme Madagascar Vakinakaratra. Ankoatra ny fampahafantarana momba ny autisme sy ny fizarana nataon’ireo ray aman-dreny, nisongadina, nandritra izany, koa ny fanentanana ny handraisana ireo tanora autiste hisitraka ny asa sahaza azy eny anivon’ny orinasa.

Partager sur: