Jono madinika : mampidi-bola hatrany amin’ny 3 miliara Ar isan-taona

Mahatratra 70% ny vokatra azo avy amin’ny jono madinika eto Madagasikara. Mamelona olona 1 500 000 izany ary mampidi-bola 3 miliara Ar ao anatin’ny kitapombolam-panjakana. Azo avy amin’ny jono madinika ny ankamaroan’ny vokatra eto amintsika saingy amidy eny amin’ny tsena anatiny avokoa ny 60% amin’izany Azo avy amin’ny jono salantsalany ny 7% raha 16% ireo vokatra indostrialy miondrana any ivelany. «Ny taona 2022, manodidina ny 700 miliara Ar ny vola azo tamin’ny fandraharahana ny jono. Nitombo 3,9% izany amin’ny fandraisana anjaran’ny jono ao anatin’ny kitapombolam-panjakana», hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). «Zava-dehibe ny fampitomboana ny vokatra, antony nametrahana ny drafitrasa nasionaly hampiroboroboana ny jono madinika», hoy ny tale jeneralin’ny toekarena manga eo anivon’ny MPEB, Rotosoa Rado, omaly, nandritra ny atrikasa fankatoavana ny fanadihadiana momba ny jono izay iarahany amin’ny ECOFISH. Manodidina ny 307 000 taonina ny filana eto amintsika saingy mbola 147 000 taonina ny vokatra misy amin’izao fotoana.

Henintsoa H.

Partager sur: