Voatendry ho filohan’ny delegasionina manokan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, omaly, i Alexandre Georget. Izy, araka izany, no handimby an’i Harilala Ramanantsoa amin’ny fitantanana ny Renivohitra mandra-pahazoan’ny kaominina ben’ny Tanàna vaovao. Ity filohan’ny delegasionina manokana vao voatendry ity izay filohan’ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara ary efa minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ny taona 2019.
Araka ny lalàna mifehy ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina dia tsy maintsy nametra-pialana amin’ny maha filohan’ny delegasionina manokana azy i Harilala Ramanantsoa. Ny 8 oktobra 2024 izy no nametra-pialana tamin’izany andraikiny izany. Ankehitriny kosa, voatendry ny handray ny toerany. Tsiahivina fa ny andininy faha-130 amin’ny lalàna 140- 080 no manendry ny filohan’ny delegasionina manokana amin’ny tranga sahala amin’izao. Atao izany ho fampandehanan-draharaha eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
Lin