Anisan’ny nanatrika sy nanome voninahitra ny fitokanana ny kianja mitafo Arena Toamasina, ny teo anivon’ny Federasion’ny karate-do malagasy, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nanotrona fotsiny anefa izy ireo fa nanolotra seho Kihon sy kata izay notarihin’ny filoha sy ny Tale Teknika nasionalin’ny FKM. Voninahitra lehibe ho an’ny karate malagasy ny nahafahana nandray anjara tamin’izany “démonstration” niavaka izany, araka ny nambaran’ny filohan’ ny FKM, Ratefinanahary Emile. Nambarany fa tena ilaina ny fotodrafitrasa, ahafahan’ny mpanao fanatanjahantena manao fanazaran-tena sy fiofanana ary fifaninanana. Misy Dojo hampiasan’ny karaté-do ao amin’ity kianja mitafo vaovao ity, araka ny nambarany hatrany ary nisaotra ny fitondram-panjakana izy amin’ ny fitsinjovana ny taranja karate. Tsy ny taranja karaté ihany anefa no hahazo tombony fa ny taranja hafa koa, toy ny basikety, hand ball, volley-ball, badminton, tenisy ary ny tenisy ambony latabatra.
Tsiahivina fa mahazaka mpijery hatramin’ny 4 000 ity kianja mitafo Arena Toamasina ity, ary ahitana trano fiomanana ho an’ny mpilalao sy trano fivoriana. Hahazo ny anjarany amin’ny taona 2025 ihany koa ny any Mahajanga sy Toliara.
Mi.Raz