Mamon-drongony : maty novelesin’ilay tovolahy ny hazo ny rainy

Zanaka indray ity no mahafoy ray aman-dreny! Nampihoron-koditra ny fihetsika feno habibiana nataon’ny tovolahy iray tao amin’ny fokontany Basindrano, teo amin’ny sampanana Ambodi­saina, ny sabotsy teo. Maty novonoiny tamin’ny fomba feno habibiana ny rainy, mpiasan’ny seranan-tsambo misotro ronono 72 taona, niteraka azy. Potika tanteraka ny lohany ka tsy nisy namantarana azy intsony. Fifamaliana noho ny resaka finday no fototry ny olana teo amin’izy mianaka, araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Tsy nahazaka ny fitenenan-drainy azy ity tovolahy ity. Tsy vitan’izay fa mandray zava-mahadomelina isan’andro izy sady marary saina ihany koa. Vokany, nandray vatan-kazo ilay tovolahy ka tsy nihambahamba sady tsy nitsitsy fa nikapoka faran’izay heriny manontolo teo amin’ny lohan-drainy. Nidaraboka nianjera ilay raim-pianakaviana, nandriaka ny ra sady vaky tanteraka ny lohany vokatry ny daroka nahazo azy. Taitra ny fokonolona teo amin’ny manodidina nahita izany fihetsika nataon’ilay tovolahy mamon-drongony izany. Lasa nitsoaka avy hatrany izy taorian’izay. Nanenjika azy ny fokonolona ka nisy ireo nisambotra azy, tao kosa ireo namatotra azy. Nentin’ireo olona namonjy hopitaly ihany ilay raim-pianakaviana. Efa eo am-pelatanan’ny zandary koa ilay zanaka adala nahafaty ny rainy.

Sajo

Partager sur: