Opération Bokiko : tanjona ny hampahafantatra ireo tranomboky

Toerana ahitana fahalalana sy fahaizana maro samihafa ireny tranomboky ireny. Somary very anefa ny maha izy azy ireny ankehitriny. Izany indrindra no tanjon’ny hetsika “Salon du livre en milieu rural”.

Tanterahina any amin’ny Kaominina Andriam­pa­maky, ny 22 novambra 2024, ny hetsika “Salon du livre en milieu rural”. « Ny tranomboky sy ny tontolony » io no lohahevitra ho voizina amin’ity andiany ity. Tanjona amin’izany ny hampahafantatra ireo tranomboky misy eto amintsika. Araka ny nambaran’ ny mpikarakara, maro ireo tranomboky misy eto amintsika ahafahana manao fandalinana sy ahitana voka-pikarohana. Vitsy anefa ny mahafantatra izany ka manosika ny mpikarakara hampifantoka kokoa ny hetsika amin’izany.
Sahala amin’ireo andiany taloha, hetsika maro no handravaka ny “Salon du livre en milieu rural”. Hanokafana iza­ny ny tafa sy fihaonana amin’ ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga faharoa sy Lycée. Hitohy amin’ny fampahafantarana ny tranomboky Simeon Rajaona sy ny tranomboky ao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza iza­ny, avy eo. Hisy ihany koa ny velakevitra hiresahana ny anjara asa sy ny lanjan’ny tranomboky eo anivon’ny fiarahamonina. Miditra amin’ny andiany fahatelo ny hetsika amin’ity taona ity. Tsapa ny fahalianan’ny vahoakan’ An­driam­pamaky tamin’ny andiany teo aloha. Eo ihany koa ny fahitana fa tena ilaina ny fandehanana amin’izy ireny, indrindra ho an’ny tanora.
Hetsika natao hanoherana ny tahan’ny tsy fandehanana an-tsekoly ao Andriampamaky ny “Salon du livre en milieu rural”. I Michèle Rakotoson, anisan’ireo andrarezin’ny haisoratra malagasy ankehitriny no nanorina izany hetsika izany. Ny fikambanana « Opé­ration Bokiko » kosa no manatontosa azy. Fikambanana niforona ny taona 2018 izy ity, ivondronan’ireo tanora liana amin’ny sehatry ny boky sy manatontosa tetikasa eo amin’izany sehatra izany.

Lin

Partager sur: