SOMBIM-BAOVAO

Nanainga omaly, hihazo an’i Maroc, hiatrika ny fifaninanana hahazoana ny tapakila hiakarana ao amin’ ny Top 8 eto Afrika, ny XV Makis, lehilahy. Nilaza moa ireo mpilalao fa efa fotoana maro izay izy ireo no nanomana ary vonona ny hanome ny tsara indrindra avy aminy.

Hotontosaina any Maputo, ny 5 hatramin’ny 15 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ ny faritra Atsimon’i Afrika, «Cosafa U17», sokajy vehivavy. Miray vondrona amin’i Madagasikara, amin’izany, i Malawi, Afrika Atsimo, Namibie. Tsiahivina fa ny taona 2020, tany Maurice, ny ekipa nasionaly malagasy no nandray anjara farany.

Efa fantatra avokoa ny mpifanandrina amin’ny Malagasy mpikatroka kick boxing, izay hifaninana any La Réunion, ny 14 desambra izao. Anisan’ny ady hitranga amin’io fotoana io ny fifandonana eo amin’i Absalon Josus (REU) sy Andrianambinina Tsilavina Aimé (MAD).

Higadona eto an-tanindrazana, ny alakamisy 21 novambra izao, ireo maherifo malagasy nahazo medaly volamena sy alimo, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Jiu-jitsu, natao tany Abu Dhabi. Hisy ny fitsenana makotrokotroka azy ireo.

Partager sur: