“Trail UCTS” – fahadimy : hizara fito ny sokajin-dalao amin’ity

Hotanterahina ny 22, 23, 24 novambra ho avy izao, eto Antananarivo, ny andiany fahadimy amin’ny hazakazaka mitety vohitra sy natiora na ny “Trail UCTS”. Araka ny fanazavana nataon-dRazafinavalona Harimisa, talen’ny Ortana sady mpikarakara, miisa fito ny sokajin-dalao hatao amin’ity hetsika ity.
Anisan’izany ny hazakazaka tsotra amin’ny halavirana mirefy 18 km, ho an’izay hitsidika an’i Marovatana, ny 23 km izay mankany Avaradrano, ny 29 km, tonga any Vakinisi­saony. Eo amin’ny lavitra ezaka kosa na ny Trail, misy ny mitety an’i Marovatana, 32,5 km sy Avaradrano, 47 km, ary Vakinisisaony 48,3 km, ankoatra izay, ahitana ny halavirana lavitra indrindra, izay mahatratra 127 km, ity lalao iray ity.
Mpandray anjara maherin’ny 900 eo no andrasana amin’ ity andiany manaraka ity. Tanjona ny hampifandraisana ny tontolon’ny fizahantany sy ny fanatanjahantena, mba hahafahan’ireo mpandray anjara mahita ireo toerana manan-tantara eto Madagasikara. Tsara marihina fa ny vokatra rehetra azon’ny mpilalao Trail amin’ity dia ho tafiditra amin’ny isa iraisam-pirenena, ITRA.

F.R

Partager sur: