Vaksiny miaro amin’ny bilarziozy : Malagasy 60 nanaovana andrana «clinique», ny volana jona teo

Eo am-panaovana andrana «clinique» ny vaksiny miaro amin’ny aretina bilarziozy, amin’izao fotoana izao. I Madagasikara sy i Burkina Faso no nampiharana azy taorian’ny andrana voalohany tany Texas satria manam-pahazaina amerikanina no nahita ny vaksiny, ny taona 2021.

Efa nahita vaksiny miaro amin’ny aretina bilarziozy ny manam-pahaizana amerikanina. Natolotra ny firenena miara-miasa amin’ny International Vaccine Institute izany hanaovana andrana. Anisan’ny nanaovana andrana clinique teto Madagasikara sy i Burkina Faso satria nikaroka momba ny bilarziozy nandritra ny taona maro. Tonga ny vaksiny ny taona 2023 ka niroso tamin’ny andrana taorian’ny fahazoan-dalana avy amin’ny Comité d’éthique de la recherché biomédicale ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Olona 60 no natao azy, ny volana jona lasa teo, hita fa zakan’ny vatana izany. Hiroso amin’ny andiany faharoa ny andrana clinique, ny taona 2025, eto an-toerana.
Napetraka any Ambositra ny Ivontoerana fikarohana ma­ha­kasika ny vaksiny eto Ma­da­gasikara, ny herinandro la­sa teo, izay fiaraha-miasa amin’ ny International Vaccine Institute sy ny Oniversiten’An­tanana­rivo. Tanjona ny hana­tsarana ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fitiliana sy fikarohana momba ny aretina avy amin’ny otrikaretina sy ny katsentsitra izay azo sorohina amin’ny vaksiny. Tafiditra amin’ ireo aretina ireo ny bilarziozy sy ny tefoedra. Distrika iray amin’ny 109 ahitana ny aretina bilarziozy ny ao Ambositra, araka ny fitiliana natao ny volana septambra sy oktobra lasa ary nampiasana ny “Test de diagnostic rapide” (TDR). Tamin’ny olona 2 500 notiliana amin’ny fokontany 23, mahatratra 90% ny tahan’ny olona tratran’ny bilarziozy ary fokontany efatra manakaiky renirano no tena nahitana marary betsaka indrindra. Fokontany tokana ihany no 50% ny ta­han’ny olona marary. “Tsy maintsy mihinana fanafody avy hatrany ireo rehetra marary tsy hiitaran’ny fahavoazana sy ny takaitra”, hoy ny talen’ny Interna­tional Vaccine Institute, Rakotozandrindrainy Raphaël. Mety ho tonga amin’ny fahalemen’ny vatana sy ny fahafatesana ny aretina bilarziozy rehefa tsy voatsabo ka miseho ny fahasarotana.

Vonjy

Partager sur: