Anisan’ireo ekipa goavana mametraka ny anarany eto Madagasikara ny 3FB rugby. Ankehitriny, tsapan’ireo mpilalao tranainy fa marary ny klioba ka hitakiny ny hialan’ny filoha mpitantana sy ny mpanazatra ary hanolotra izany amin’ ireo mpilalao tranainy.
Tsy mitsahatra ny mitaky ny fialan’ny filoha sy ny mpanazatra ny 3FB rugby ireo mpilalao tranainy noho ny vokatra ratsy azon’io ekipa io eo amin’ny fifaninanam-pirenena. Ny alakamisy 14 novambra lasa teo, tetsy Ankorondrano, nilaza izy ireo fa efa vonona handray an-tanana izany amin’ny taona 2025, ary efa misy ny rafitra matipaika sy sata vaovao hitondrana ny ekipa. Nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety no nilazan-dRamorasata Clément, anisan’ireo mpilalao andiany voalohany, fa tetikasan’izy ireo ny handefa mpilalao any am-pita raha misy tena mahay, ka ny tenany mihitsy no handray andraikitra voalohany amin’izany. Nohamafisiny fa izy no namorona ny anarana hoe : 3FB ary voarakitra ao amin’ny Institut national de l’innovation et de la protection (Inip) izany.
Rakotoarimanana Jas Nirina (Bodhy) kosa nilaza fa efa niantso azy ny mpanazatra ny 3FB ankehitriny ary vonona hanolotra ny fitantanana ho an’ireo mpilalao tranainy. Nolaviny izany ao anatin’izao zava-misy iainan’ny 3FB izao fa miandry ny fahavitan’ny taom-pilalaovana izy ireo. “Tokony ho ny filoha no miteny izany aminay fa tsy ny mpanazatra”, hoy izy.
Notsiahivin’izy ireo fa fitiavana no nilalaovana tao amin’ ny 3FB fa tsy vola toy ny namoronan’ireo zoky raiamandreny azy satria sekoly natao hanabe olom-banona ny 3FB. Notsiahivin’i Clément fa teo aloha ny olona no misisika hiditra 3FB, na mpanohana io na mpilalao. Araka izany, haverina izay sary sy bika tsara nahasarika ny rehetra izay. Mahakasika ny faha-60 taonan’ny ekipa, hisy klioba vahiny ho avy hifanandrina amin’ ny Makis, saingy mbola hifampiresahana amin’ny Malagasy rugby, ny amin’izany.
Torcelin