Anosizato Atsinanana II : fatin-jaza nariana tao anaty harona plastika

Roa vavy hitan’ny fokonolona nanary fatin-jaza teny Anosizato Atsinanana, omaly. Mpaka fako no nanokatra ny fonosana.

Fatin-jaza niaraka amin’ ny ahitra, hitan’ ny fokonolona teny amin’ny elanelan-trano anatin’ny fokon­tany Anosizato Atsinanana II, omaly tamin’ny 11 ora atoandro. Vehivavy roa no nisy nahita nanipy harona plastika niloko fotsy teo amin’ io toerana io. Nanao ny asany toy ny mahazatra azy, hatairana ny an’ny mpandroaka fako iray eny an-toerana. Nanokatra ny harona plastika izy, kinanjo, fatin-jaza io nisy nanary io. Nampan­dre ny solontenam-pokontany avy hatrany izy. Niantso ny tom­ponandraikitra eo anivon’ny BMH ireto farany taorian’izay. Nozahana ny razana. Zaza­vavy vao teraka io nisy nanary io. Nataon’ireo tsy mataho-tody tsara fono anatin’ny harona plastika izy ka izao nariany tamin’ny sisin-dalana izao.

Mahazo vahana

Mahazo vahana tato ho ato ny tranga herisetra mihatra amina zaza. Saika ho isam-bolana, ahitana fatin-jaza misy manary tahak’ity miseho teny amin’ny fokontany Anosizato Atsinanana II ity ny fokontany sasany eto an-dRenivohitra. Ankoatra ny zaza vao latsaka avy any am-bohoka, misy mi­hitsy aza ireo sahy mamono mivantana ireo zaza efa hary saina. Anisan’izany, ny zazavavy fito taona hita faty nasesika tao anaty gony tao amin’ ny fokontany Isaha Fianaran­tsoa, afakomaly.

Tsiferana R.

Partager sur: