FANTINA sy FINTINA

Nandray anjara tamin’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny filankevitry ny minisitry ny SADC tany Harera, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafara­vavitafika, araka ny fampitam-baovaon’ny minisitera, omaly. Ny amin’ny olana any RDC. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fitadiavam-bahaolana noho ny tsy fandriampahalemana ho amin’ ny fampandrosoana aty amin’ny faritra.
Mitondra fanatsarana ny fandaharanasa “Fanarenana” eo amin’ny sehatrasan’ny mpandraharahan’ny fonja, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fitsarana, omaly. Eo ny fampiofanana, fampitaovana, fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ireo voafonja sy fanomanana ny fiverenan’izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina.
Mandray ny fivorian’ny komity mpanatanteraka ny fikambanan’ny parlemantera eo anivon’ny Com­mission de l’océan Indien (AP-COI), i Mada­gasikara. Nanomboka omaly, ary hifarana anio, etsy amin’ny Carlton Anosy, izany fivoriana izany. Dinihina ao anatin’izany ny hanatsarana ny fiainan’ny tanora amin’ny alalan’ny fandaharanasa sy fanaovana tomban’ezaka ny politikam-panjakana mahakasika ny tanora.
Mamita iraka any Londres ny delegasionina tarihan’ny Jly Ravalomanana Richard, Filohan’ny Antenimierandoholona, araka ny fanasana voarainy. Natao izany ho fanamafisana ny diplaomasia parlemantera sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Antenimieran­doholona malagasy sy ny “Chambre des lords” any Royaume- Uni.

Partager sur: