Mazàna dia ny mpiasa eny anivon’ny orinasa hatrany no misitraka ny fiahiana ara-tsosialy. Amin’izao fotoana izao, hahazo ny anjarany ihany koa ireo mpiasa tena. Misy ny atrikasa any amin’ny faritra Atsinanana, tamin’ity herinandro ity, ho fanatanterahana ny politikan’ny fitondrana, amin’ny alalan’ny ministeran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, hisitrahan’ny mpiasa malagasy fiahiana sosialy. Tohin’ ny atrikasa tapany voalohany efa natao tany Vakinankaratra izy ity, ho fanentanana ny mpiasa tena, indrindra ireo eny amin’ny tontolo ambanivohitra.
Ny 90% ny mpiasa eny ambanivohitra no miasa tena misehatra amin’ny fambolena, fiompiana, jono sy taozavatra. Amin’ny alalan’ny fandrotsahana latsakemboka no hahafahan’izy ireo misitraka fisotroan-dronono rehefa zokiolona sy ny fiahiana ara-pahasalaman’izy ireo sy ny vady aman-janany raha marary. Fiaraha-miasa amin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) no nahatontosa ny atrikasa hametrahana ny fisitrahana fiahiana sosialy. Zon’ny mpiasa sy ny ankohonany ny hanana fiahiana sosialy hahafahany miasa am-pilaminana.
Vonjy