Nitohy omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andro fahadimy hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja handball, ho an’ny ekipa tompondaka (CCCOI 2024). Tojo faharesena fanindroany ny THBC Madagasikara teo amin’ny sokajy vehivavy. Lavon’ny Case Cressonnière La Réunion, tamin’ny isa 27 no ho 10, ity ekipa ity. Nanantombo teo amin’ny taktika ry zareo renioney, nandritra ny fihaonana. Hain-dry zareo Case Cressonnière ny namezivezy ny baolina. Tsara ihany koa ny fiarovantenany ka sahirana ny mpilalaon’ny THBC.
Nitarika an’isa hatrany ny renioney, tamin’ity fihaonana ity. Tsiahivina fa efa resin’ny HC Select 976, tamin’ny isa 25 no ho 20, ity ekipa tompondakan’i Madagasikara ity, nandritra ny andro fahatelo, ny sabotsy lasa teo.
Tojo tsy fahombiazana ihany koa ny AS St Michel, ho an’ ny lehilahy. Lavon’ny Lasours La Réunion, tamin’ny isa 24 no ho 20. Hita fa mbola manantombo eo amin’ny fahazarana lalao goavana ny ekipan’i La Réunion, izay lesoka ho an’ny ekipa malagasy.
Tompondaka