INDRAY MIJERY

Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa ireo tomponandraikitra avy amin’ny orinasa Ambatovy, tamin’ity herinandro ity. Namaritana ireo sehatra azon’ny roa tonta iarahana miasa ny fihaonana. Anisany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tanora anatin’ny sahan’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Noresahina ihany koa ny fandraisana hiasa ireo teknisiana mivoaka avy amin’ny fampianarana teknika satria mila tanora manana traikefa ny orinasa Ambatovy.
Any amin’ny 1900 km mahery miala ny morontsiraky ny Nosy no misy ny foiben’ilay rivodoza Bheki. Mitohy mianatsimo somary atsimo andrefana hatrany ny diany. Hihena hatrany ny heriny ary tsy hahakasika ny mety ho toetry ny andro eto Madagasikara ny fisiany. Ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hijanona ho ambony hatrany ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo ka mety hankarary.
Natao sonia, ny herinandro lasa teo, ny fanomezan’ny masoivohon’i Japon fanampiana ho an’ny hopitaly sady toeram-piterahana Befelatanana. Mitentina 63 724 euros (316 tapitrisa Ar) ny tohana fitaovana: ventilateur d’anesthésie, incubateurs ary onduleurs.
Hisokatra ho an’ny daholobe, manomboka anio, eny amin’ny Tana Water Front Ambodivona, ny fampirantiana ireo sary marobe mirakitra ny asan’ny mpisehatra amin’ny vaksiny. Tsy fantatry ny olona matetika ny asan’izy ireny izay tena mafy tokoa satria manao ny fomba rehetra hahatonga ny vaksiny eny amin’ny kilonga rehetra. Hifindra eny amin’ny La City Ivandry indray ny fampirantiana manomboka ny 23 novambra hatramin’ny 26 novambra ho avy izao.

Partager sur: