Kandidà Ndriana Razanamasy : tsy hampanofinofy ny mponin’Antananarivo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny QG Ambodiroatra Antsakaviro ny kandidà ho ben’ny Tanàna, Ndriana Razanamasy, omaly tapakandro maraina. Fotoana nanombohany ny fampielezan-kevitra ataony eto Antananarivo. Nanao fanambarana mahakasika ny fahavononany amin’ny fifidianana sy ny fanolorany ny vinany ary ny fampahafantarana momba ny tenany izy, tamin’izany.
«Tsy hampanofinofy sy hanao fampanantenana poakaty ary velirano tsy tanteraka ho an’ny mponin’Antananarivo ny tenako», hoy izy. Nam­barany fa: “andao hiverina an-doharano, hiaraka manapa-kevitra amin’ny fampandrosoana. Hanome 1500 andro farafahakeliny ao anatin’ny fiainako manaraka eo ho an’Antananarivo aho”. «Vo­no­na ny tenako hiasa ho an’An­tananarivo ary hanangana sy hanamafy fototra ny zavatra efa natao mba hahafahan’ireo maherifo rehetra misitraka izany”, hoy hatrany izy. Ma­nantena fiaraha-miasa amin’ny vahoakan’Antananarivo izy hanatontosany izany satria tsy vita irery ny fahafahana mampirindra ny fandrosoan’ny fokontany 192 mandrafitra an’Antananarivo. Anisan’ny tanàna voalohany maloto indrindra aty Afrika ny eto Antananarivo Renivohitra, raha ny nambarany. Asa mi­andry azy, mandritra izany, ny fitadiavam-bahaolana mahakasika io olana io.

Nidina ifotony tetsy Andavamamba Ambilanibe avy eo
Nidina ifotony tetsy An­davamamba Ambilanibe ny kandidà, ny tolakandro. Foto­ana nihaonany manokana tamin’ireo mpanohana sy mpanara-dia azy isa-pokontany io. Marihina fa kandidà mahaleo tena i Ndriana Raza­namasy ary laharana voalohany ao anatin’ny biletà tokana. Manentana ny vahoakan’ Antana­narivo izy mba ho avy hifidy amin’ny fotoan’ny fifidianana ka handrotsaka ny vato ho azy, mba hahafahany manatanteraka ireo vinam-pandrosoana rehetra kasainy hatao.

Mino

Partager sur: