Anisan’ny fampirantiana mahasarika mpitsidika maro ny rantin’i Malala Andrialavindrazana ao amin’ny Palais de Tokyo Paris. Mpianatra, mpandalina momba ny zavakanto, mpanakanto miangaly hosodoko maro no tonga nijery izany. Anisan’izany i Pascal Lièvre, Emmanuelle Hamon. Raha tsiahivina, “Figures” no anarana nampitondraina izany hetsika izany, ahitana hosodoko amin’ny rindrina mirefy 60 metatra ny halavany ary 5 metatra ny haavony. Nanomboka ny 16 oktobra ny fampirantiana ary tsy hifarana raha tsy ny 5 janoary 2025.
Nanomboka ny taona 2015 i Malala Andrialavindrazana no namolavola ny “figures”. Ireo hevitra maro mifamezivezy sy mety manahirana eo anivon’ny sisintany maro, mahakasika ny tantara sy ny jeografia, ny sosialy sy ny kolontsaina, ny taloha sy ny ankehitriny, no hita ao. Mampahatsiahy ny tantara nipoiran’ny kapitalisma indostrialy, ny fanatontoloana, ny fanjanahantany ary ny fanaparitahana entana sy sary maneran-tany, araka izany, ity sary ity. Araka ny nambaran’ireo mpitsidika, anisan’ny mampiavaka ity zavakanto ity ny fampitany fahalalana mahakasika ny tantara sy ny zava-misy amin’ny alalan’ny sary. Eo ihany koa ny endrika ivelany izay anisan’ny naneken’ny Palais de Tokyo handray azy. Ny Palais de Tokyo izay anisan’ny ivontoerana ara-javakanto sy kolontsaina anisan’ny sangany ao Paris.
Lin