Vitsy ny mpandeha mivezivezy manketo Antananarivo sy mankany amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny, amin’izao fotoana izao, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny mpitatitra tetsy amin’ny Trans Sava, Ambilanibe, omaly. Haharitra hatramin’ny fotoan’ny fahavaratra izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tsy mahafeno fiara iray intsony ireo mpitatitra isan’andro, noho izany. Hisorohana ny mety ho fatiantoka amin’ny mpitatitra sy ny kaoperativa, hoentina avokoa na entana na olona. Manahy ny vanim-potoan’ny fahavaratra ireo mpitatitra satria fiara iray ihany no feno amin’io fotoana io. “Tsy ahitana mpandeha mihitsy ny kaoperativa iray vao manomboka sy ao anatin’io vanim-potoana io”, hoy i Tolotra, mpamily. Mifameno ao anatin’izany ireo kaoperativa mitondra ny mpandeha.
Tsy niova ny saran-dalana
Tsy nahitam-piovana ny saran-dalana, ho azy ireo manokana, hatramin’izao. Manodidina ny 130 000 Ariary izany, ho an’ny faritra Sava miainga eto Antananarivo. Raha toa ka nahatratra 200 000 Ariary izany rehefa fotoan’ny fahavaratra. Tsy misy olana firy eny an-dalana amin’izao vanim-potoan’ny maintany izao ka antony mahatonga io saran-dalana io, raha ny nambaran’ireo mpitatitra. Tanjona ihany koa ny hitazomana ny saran-dalana mba hitsinjovana ireo mpandeha sy ny vahoaka malagasy mivezivezy. Manodidina ny 140 000 Ariary ny saran-dalana mankany Antalaha sy Andapa raha miainga avy eto Antananarivo. Manodidina ny 120 000 na 130 000 Ariary kosa raha ho any Vohemar – Sambava.
Mino