Enina ny hetsika fanaovam-baksiny vita tamin’ity taona ity. Nisy ny vaksiny roa, miaro amin’ny poliomelita sy amin’ny kitrotro. Telo ny fanaovam-baksiny fanatrarana ireo ankizy tsy mbola nahavita fatra.
“Midina eny amin’ny fiarahamonina ny mpisehatra. Tsara ny vokatra, niakatra ho 96% ny tahan’ny fahavitam-baksiny”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo, teny Andohalo, omaly. “Andry iray hijoroan’ny fanjakana ny lafiny maha olona, ka raha ny fitsaboana hatrany no nojerena teo aloha, manamafy ny lafiny fisorohana tena mahomby amin’ny fanaovana vaksiny amin’izao fotoana izao”, hoy hatrany izy. “Reny mpiahy ny vaksiny rahateo ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, ka natao ho taon’ny vaksiny ity taona ity. Manamora ny asan’ny mpiasan’ny fahasalamana mpanao vaksiny ny fandresen-dahatra nataony”, hoy ny minisitra namarana ny resaka.
“Fitiavana sy fiarovana ny fanaovam-baksiny ny zanaka ary manampy ny mponina hiatrika ny fisehoan’ny valanaretina samihafa”, hoy ny filohan’ ny fikambanana Fitia sady reny mpiahy ny vaksiny, Rajoelina Mialy. 400 000 ny ankizy vita vaksiny miaro amin’ny kitrotro, tamin’ity taona ity. Tanjona amin’ny taona 2025 ny fanaovam-baksiny ankizy miisa 800 000. Ireto farany izay tsy mbola nandray fatram-baksiny hatrizay. Zava-dehibe ny fanohanana ny asan’ireo mpisehatra mitondra ny vaksiny isan-tokantrano hatrany amin’ny toerana saro-dalana indrindra, araka ny fanazavan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika.
Ranty ho fampitam-baovao
Nosokafana omaly, teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra, ny fampirantiana ny sary mirakitra ny asan’ireo mpisehatra rehetra. Hita eny an-toerana ny sarin’ireo mpiasan’ny fahasalamana, ny mpanentana ara-pahasalamana mandeha an-tongotra lavitra mamita iraka. Mahavita kilometatra maro ny sasany ary miasa hatrany ireo mpisehatra ka mila tohana amin’ny fitaovana izay no nametrahana ny lohahevitra hoe “Azo atao tsara ny mampisitraka vaksiny ny rehetra”, hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, i Christine Jaulmes.
1 000 000 mahery ny isan’ny zaza tsy mbola nahazo vaksiny. 35% efa vita hatramin’izao fa ny 65% ho ezahina ho tratra hatramin’ny faran’ny taona.
Vonjy