Manomboka miakatra ireo vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Voakasik’izany ny menaka, ny siramamy, ny entona fandrehitra ary ny arina. Mampitandrina ireo mpivarotra minia manararaotra mampiakatra ny vidin’entana tafahoatra sy ny fivarotana entana lany daty ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Velon-taraina manoloana ny zava-misy sahady ny mpanjifa amin’izao iray volana mialoha ny fetin’ny noely izao.
Nankatoavin’ny solombavambahoaka ny hidiran’i Madagasikara ao amin’ny Zlecaf. Ahafahantsika mifanakalo ara-barotra malalaka amin’ireo firenena anatin’ny Vondrona afrikanina ny fidirana ao amin’ny Zlecaf. Mahatratra 1,2 lavitrisa ny mpanjifa ao anatin’izany izay hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny firenena sy ny sehatry ny fandraharahana. Vonona hanamafy ny ezaka ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena i Madagasikara.
Misitraka fiofanana amin’ny alalan’ny tetikasa E-vohary ny ao Itasy, hanatsarana ny fari-piainan’ ny mponina sy hanamafisina ny traikefany. Misy ny fampiofanana momba ny fanodinana lafarinina ho lasa paty gasy, ny fanodinana ny ovy ho lasa “chips ” ary ny voankazo ho lasa “pâtes de fruits”.Teo ihany koa ny fampiofanana momba ny fitehirizana sakafo. Liana sy mavitrika amin’ny fandraisan’anjara ny mponina hanatsarany ny fidiram-bolany.