Manaraka fiofanana ho fampivoarana ny lalam-barotra eto an-toerana sy any Afrika ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo vehivavy mpandraharaha miisa 20 avy amina faritra fito eto Madagasikara. Fiofanana atao eny amin’ny Nexius Andranobevava, mandritra ny herinandro. Tanjona ny hanomezana ireo torolalana amin’ny fitadiavana lalam-barotra eto Afrika, hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra. Tafiditra ao anatin’izay ny fanamafisana ny fahaiza-manaony mifanaraka amin’ny filan’ny tsena eto amin’ny faritra. Misitraka izany ny avy eto Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra ambony, Ihorombe, Anosy ary Atsinanana. « Mazàna mbola any amin’ireo firenena francophone no mahasarika ny vehivavy mpandraharaha ary anisan’ireo vokatra fanondrana ny avy amin’ny asa tanana, ny lamba ary ny tontolon’ny niomerika », hoy ny filohan’ny vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM), Razakaboana Fanja, ny alatsinainy teo, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa «Recamp» karakarain’ny Comesa Federation Women in Business (COMFWB Chapter Madagascar) sy ny GFEM. Mamatsy vola ny tetikasa ny Comesa, izay tafiditra indrindra amin’ny fankalazana ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana.
Fanamby
Malalaka ny lalam-barotra eto Afrika saingy mila miomana amin’ireo fanamby samihafa ireo mpandraharaha raha te hanondrana any ivelany. Mila fantarina ny filan’ireo firenena ary tokony hisokatra amin’ny lalam-barotra eto an-toerana ny mpandraharaha iray vao manondrana any ivelany, araka ny fanazavana voaray. Mitaky vola ny fanondranana entana sy ny fidirana eo amin’ny tsena any ivelany.
Henintsoa H.