“Roa volana fotsiny aho no eto”, hoy ny filohan’ny delegasiona manokana vaovao, kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Alexandre Georget, teny amin’ny lapan’ ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, Analakely, omaly. Taorian’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny sekretera jeneralin’ny CUA, Andrianambony Clara Michel Nala. Miandry izay ho ben’ny Tanàna vaovao voafidim-bahoaka afaka roa volana eo izy, araka ny nambarany. Tsy hoe misy fanovana lehibe amin’izay fisoloan-toerana vonjimaika mandritra ny roa volana izay, fa hanohizana ny asa efa natomboky ny teo aloha. Eo ny fanatsarana ny lalana, ny fitsinjovana ny fahavaratra amin’ny fanadiovana lakandrano, ny fandriampahaleman’ny fiarahamonina.
Tsotra ihany ny vinany: fanamboaran-dalana. Hojerena koa ireo fotodrafitrasa tsy milamina sy mila fanamboarana hitsinjovana ny fotoam-pahavaratra ho avy.
Nasiany teny koa ny fanamaitsoana ny tanàna amin’ny alalan’ny fambolena. Tsy ho vita ao anatin’ny roa volana izany, fa izay kely vita no atao. Manana vina hanamaitso ny manodidina an’Antananarivo ry zareo. Eo koa ny fanabeazana ny filozofia maitso any an-tsekoly. Lavitr’ezaka izany, fa tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy. Ankoatra izany, ny fitsinjovana ny mpiasan’ny kaominina. Izy ireo no mila tosika voalohany mba hisy ny faharisihana amin’ny fanatanterahana asa. Tena atao ny fampiasana ny olona eo anivon’ny fiadidiana ny kaominina mba tsy hakana olona avy any ivelany.
R. Nd.