Tsy hatao amin’ny faran’ny herinandro io indray ny andro voalohany amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taom-pilalaovana 2024-2025. Maro kosa ireo zava-baovao hita anatin’ity fifaninanana nasionaly ity.
Araka ny fanadihadiana natao omaly, fantatra fa hahemotra amin’ny faran’ny herinandro manaraka indray ny fifanintsanana nasionaly «Pureplay Football League (PFL)», taranja baolina kitra. Antony iray nanemorana izany ny fitsapana ara-batana izay hataon’ireo mpitsara malagasy. Raha ny siosio-dresaka mandeha ihany koa, tsy mbola fantatra mazava raha hanao io fifanintsanana io ny FC Theo, klioba vaovao tafakatra anatin’ity diviziona voalohany ity. Etsy ankilany, ny mpitantana ny fikambanan’ireo klioba elita eto Madagasikara na ny CFEM, milaza fa entitra tanteraka izy ireo amin’ireo ekipa izay minia tsy milalao.
Ankoatra izay, maro ny zava-baovao ho an’ity fifaninanam-pirenena ity. Anisan’izany ny fitomboan’ny kaonferansy ho lasa telo, ka ny Kaonferansy afovoany izay ahitana klioba valo ary miisa efatra avy kosa ireo ekipa mifaninanana amin’ny avaratra sy atsimo.
Raha ny fanazavana azo tamin’ny loharanom-baovao iray, hisy lalao mandroso sy miverina ny an’ny sokajy avaratra sy atsimo ka izay roa voalohany isam-bondrona no miakatra eo amin’ny ampahefa-dalana. Fihaonana bango tokana kosa ny an’ireo ekipa mifanintsana eto afovoany, ka izay efatra lohany no tafita amin’ny dingana manaraka. Nohamafisin’ity mpampita vaovao ity ihany fa hisy ny fifanandrinana mandroso sy miverina, ny ampahefa-dalana sy ny akatokin’ny famaranana amin’ity PFL ity.
Niova ny mpanohana ofisialy
Raha ny resaka mandeha eo anivon’ny fikambanan’ireo klioba elita eto Madagasikara (CFEM), niova tanteraka ny mpanohana ny fifaninanam-pirenena PFL. Raha tsy misy ny fiovana farany, ilay orinasa mamokatra zava-pisotro, izay efa nanohana ny fifanintsanana nasionaly diviziona faharoa teo ihany no hanome ny anjara birikiny mandritra ity taom-pilalaovana manaraka ity.
Andrasana moa ny fanambarana ofisialy mahakasika io mpanohana ny PFL vaovao io.
Fitia Randria