Clowns Sans Frontières : hanao hetsika eny Antaninarenina

Hanatanteraka atrikasa fampahafantarana ny mahakasika ny « Cirque » eny amin’ny Cités des Cultures Antanina­re­nina ny ONG Clowns Sans Frontières. Hetsika iarahan’izy ireo miasa amin’ny fikambanana Hetsika Madagasikara sy ny Aléas Circus. « Sacré numéro » no lohateny nampitondraina ny fampisehoana. Tanjona ao anatin’izany ny fampahafantarana ny « Cirque » amin’ny olona. Ankoatra ity hetsika ity, hisy ny fampisehoana maro samihafa ataon’izy ireo mandritra ny fandalovany eto Madagasikara.
« Sacré numèro ». Entina ilazana izany fa anisan’ny seho misongadina ity atao eny amin’ny Cités des Cultures Antani­narenina ity. Ao anatin’izany no hampahafantarana sy hampianarana ny fototra mahakasika ny « Cirques » sy ny fanatontosana izany. Fanasongadinana ihany koa ny maha zavakanto sy fanabeazana ny « Cirques », ankoatra ny maha fialam-boly azy.
Hisy ny fampisehoana atao eny amin’ireo fonja eto Anta­nanarivo sy any Mahajanga, ankoatra ireo ho an’ny daholo be ho ataon’ny ONG Clowns Sans frontiers.

Lin

Partager sur: