Fampielezan-kevitra : mila porofo ny fitarainana

Efa ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka amin’ny fi­fidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina hatao amin’ny 11 desambra izao. Na somary mbola nangingina aza ny fa­no­m­bohana omaly fa ny pe­ta­drin­dri­na no betsaka, raha ho an’ An­tananarivo Renivo­h­i­tra, ohatra, misy ny didy aman-dalàna mifehy izany. Fampahatsiahi­va­na ankapobeny araka ny 55 ka hatra­min’ny 119 ao amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 no mamaritra azy. Azo atao, ohatra, ny famoriam-bahoaka, dia­be… Saingy tsy maintsy ampahafantarina an-tsoratra mazava 48 ora mialoha amin’ny solontenam-panjakana eo an-toerana izany. Ireo mpikarakara ny hetsika no miandraikitra ny fiarovana sy ny filaminana ary ny fanajan-dalàna. Raha misy ny tranga mety hiteraka korontana na fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, manana fahefana hampiato sy handrava ny he­tsika ny solontenam-panjakana.
Tsy tokony hisy fanalam-baraka sy fanaratsiana amin’ ny fisehoana sy hetsika ary ny fitenenan’ireo kandidà mandritra ny fampielezan-kevitra. «Mba tsy hilazana koa fa mitazam-po­tsi­ny ny Ceni amin’izay tranga me­ty mahabe resaka ny besinimaro”, hoy ny mpampakatenin’ ny Ceni, Andriama­ro­ta­fika So­a­va, teny Alarobia, afakomaly.

R. Nd.

Partager sur: