“Hanao tatitra any amin’ny Ceni izahay, fa manjary manome ohatra ratsy izay”. Io ny nambaran’ny prefet de Police, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, manoloana ny fandikan-dalàna nataon’ny kandidà lah. 4, Ravalomanana Tojo, mbamin’ny mpomba azy tamin’ny fanombohana ny fampielezan-kevitra, afakomaly. Nandalo teny amin’ny araben’ny Fahaleovantena, Analakely ry zareo, raha avy teny amin’ny Magro, Behoririka. Nantsoin’ny eo anivon’ny prefet de Police ry zareo, ary efa nomena fampitandremana. Sarotra be ny hanakorontana na handrava ny hetsika, fa naleo fotsiny handeha… Avy eo, nomena fampitandremana. Efa navoakan’ny prefektiora ny toerana rehetra tsy azo anaovana fampielezan-kevitra sy tsy azo aleha amin’izany. Toy ny eny amin’ny araben’ny Fahaleovantena, ny eny amin’ny esplanade, ny eny Soranao mihazo ny lapan’ny Tanàna, Analakely, ny Kianjan’ ny 13 mey, ny akaiky sekoly sy hopitaly… Fisorohana ny mety hisian’ny korontana ny fisian’ny mpitandro filaminana teny an-toerana, fa tsy hoe manakana ny tsy ahazoana manao hetsika fampielezan-kevitra, araka ny fanazavany.
R. Nd.