Firehetan’ny seranam-piaramanidina Ivato: vokatry ny afon-tsigara!

Voalazan’ny loharanom-baovao fa afon-tsigara no ahina ho nampirehitra ny seranan’Ivato.
Kila tamin’izany ny fiaramanidina dimy sy helikoptera iray. Mitohy ny fanadihadiana!

Afon-tsigara, nandoro ny bozaka tao anatin’ny ny seranam-piaramanidina no voalaza fa mety ho niteraka ny fahamaizana teny Ivato, afakomaly. Fantatra izany taorian’ ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny mpitandro filaminana tamina loharanom-baovao sady vavolombelona iray. Nilaza ity farany fa nisy telo lahy nifoka sigara tao ambadika ny rindrina laharana faha-16, miaro ny seranana. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy 20 minitra izany.
“Niady hifoka ilay sigara nifandimbiasana izy ireo. Tam­po­ka, natsipin’ny iray tao ana­tin’ny seranana izany. Nanom­boka nirehatra ny afo, nandositra niatsinanana ny seranam-piaramanidina ireo telo lahy.”, hoy hatrany ny loharanom-baovao tamin’ny mpitandro filaminana.
Niparitaka ny firehetana. Vo­kany, hotohoton’ny afo ny fiaramanidina miisa dimy. Ni­tondra ny laharana 5R-MOB, 5R-MTL, 5R-MKS ny telo tamin’ireo may. “Tsy fantatra laharana ny iray, an’ny kaompania tsy miankina ny iray hafa”, hoy ny loharanom-baovao. Ankoatra ireo, angidimby iray nitondra ny laharana 5R-BL6 koa lasibatra. Nahatratra 35 Ha ny velaran-tany nirehitra.

Vaovao diso

Voalazan’ny loharanom-baovao, avy amin’ny mpitandro filaminana tamin’ny andro nisehoan’ny loza fa an’ny Tafika Malagasy ny fiaramanidina efatra may. Nitsipaka izany ireo avy amin’ny fibaikoana ny tafika ana habakabaka. Nampi­antso mpanao gazety, tetsy amin’ny tobiny ny lehiben’ny Etamazaoron’izy ireo, ny kolonely Rabemizana Toky Fihan­driana, omaly. « Tsy misy fiaramanidina an’ny tafika anahabakabaka, may nandritra ny trangana doro-tanety teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, afakomaly. Mipetraka amin’ny toerana azo antoka sy manatanteraka iraka ny fiaramanidina sasany ho azy ireo amin’izao fotoana izao.”, hoy izy.
Manamafy ny fanambarana ny avy amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy fa: « Mipetraka ao anaty Hangar sy toerana voaaro sy azo antoka ny fiaramanidin’ny Tafika malagasy ary any amin’ny “escadron transport Base 213” Arivonimamo ireo, ka tsy misy fiaramanidin’ny Tafika ana habakabaka may na kilan’ny afo izany ».
Manentana ny olona tsy ha­naparitaka vaovao tsy marina ny eo anivon’ny minisitera.

Tsiferana R/ Mino

Partager sur: