« Mozika mari-peo » : Tsikombakomban’i Fanja A, Rija R sy i Silo

Hetsika iray maro mpiandry amin’ity faramparan’ny taona ity. « Mozika mari-peo », iarahana mpanakanto telo samy nametraka ny anarany eo amin’ny tontolon’ny zavakanto malagasy.

«Tsiro telo mifanojo». Mahafehy ny endri-tsehon’ilay « Mozika mari-peo », hotontosaina ny 1 desambra izao, etsy amin’ny CCI Ivato izy ity. Tsikombakomba anaty mozika, iarahan’i Fanja Andriama­nantena, i Silo ary i Rija Ra­manantoanina izany. « Mety hahagaga anareo, fa sambany izahay telo mianadahy ireo vao ho tafaraka an-tsehatra amina seho iray. Mety efa matetika ny hoe izaho sy i Fanja, na izaho sy i Silo fa voalohany kosa ity fiarahana ity », hoy i Rija Ramanan­toanina, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny Star Andraharo, omaly.
« Ny Louvto Company no nisafidy anay telo mianadahy. Mitovy fijery amin’ny mozika. Tsy mifanipaka ny fanona, na tsy mitovy aza fa samy manana ny hanitra ho azy. Mifa­meno tsara, satria samy mpamorona ary samy mpitendry. Hisy zavatra manokatra hasheo ao, ka ny antsany efa hi­ta­nay fa ny antsany ambiny kosa mbola matahotra ny mpankafy izahay », hoy hatrany i Rija.
« Raha ny tantara no hiverenana, tany amin’ny taona 90 tany no nampiantso ahy i Fanja hoe mba handrindra ny hirany iray. «Vita hatreo ny amintsika » io hira io. Nomeny ilay hira hoe « Mama » ao taorian’izay. Ny faramparan’ny taona 90 ihany koa no nisy mpanakanto nanatona ahy fa hanao ny rakikirany. Rija Ramanantoanina io, ary mpandrindra telo izahay no nantsoiny hanatontosa ny « Jamba » ; hoy kosa ny fitantaran’i Silo.
« Mpifanerasera amiko, efa amam-polo taonany maro izy mirahalahy ireto. Mozika no mampiray, mozika no iarahana na an-tsehatra na andavanandro. I silo izao tany amin’ny faha-14 taonany no nifanerasera tamiko, saingy izao vao hiaraka an-tsehatra izahay… », hoy kosa i Fanja Andriamanantena.
Tsy seho ifandimbiasana io, ka hoe ny sehatra sy ny mpijery no iraisana. « Tena ha­nome vahana ilay hoe kaonseritra, izay endri-tseho efa mitady tsy ho hita intsony izahay. Ilay mozika no tena mibahan-toerana fa tsy ny haingon-tsehatra. Somary misy lomano jazz kely ao, saingy tsy zato isan-jato akory », hoy hatrany i Rija Ramanantoanina.
Hira 30 eo ho eo no halahatr’ireto mpanakanto ireto mandritra ny seho. « Mozika mari-peo », satria hajaina sy hasongadina izay. Anisan’ny maneho izany ilay hira « Na­leoko », sanganasan’i Tovo Andrianandraina, narindran’i Silo indray ka iarahany mamerina amin’i Fanja sy i Rija.

Zo ny Aina

Partager sur: