Raikitra ny fifaninanana «Muay Thai Tournament», hotanterahina ny sabotsy 23 novambra izao, eny amin’ny Dojo Henri Fraise Ankorondrano. Ady 15 no hitranga ary anisan’ny tena andrasana ny fifandonana eo amin’i Nounours (GISL) sy i Panda (DAM), eo amin’ny Main Event. Ankoatra izay, ady hafana ihany koa ny fihaonana eo amin’i Aina (GISL) sy i Odilon (GLMTA). Tsy ambakan’izany ny ady eo amin’ny sokajy vehivavy, ahitana an’i Panda (DAM), i Miora (GISL) ary i Patty (COSPN). Eo amin’ny sokajy lehilahy kosa, hisy ny ady ho an’ny amin’ny -51 kg, -57 kg, -60 kg, -63 kg, -71 kg, -75 kg ary ny -85 kg. Klioba maro no handray anjara ary misy ireo avy any amin’ ny faritra, ho avy ny zoma izao ary hipetraka eny amin’ny foibe eny Itaosy.
Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ ny Muay Thai, Rakotoalizao Hainatia Gervais, fa tafiditra anatin’ny fandaharam-potoanan’ny federasiona ity fifaninanana ity, izay ho fampivoarana ny taranja sy fiantsoana mpanohana sy mpiara-miasa hanohana ny taranja Muay Thai. Maro ny fandaharam-potoanan’ny federasiona
amin’ny taona ho avy, anisan’izany ny fanirian’izy ireo hiatrika ny fifaninanana “Youth” any Abu Dhabi. Mialoha izay anefa, hokarakaraina avokoa ny taratasy rehetra ho an’ireo mpikatroka, mba hanamorana ny fivoahana any ivelany. Hisy ihany koa ny ady matihanina maromaro miandry ny taranja Muay Thai amin’iny taona 205 iny, araka ny fanazavan’ny filohan’ny FMM hatrany.
Mi.Raz