Ramiarondrabe Hajason: “Aoka mba tsy ho voavidy amin’ izay mety hanovana ny safidy”

Ao anatin’ny fampielezan-kevitra izao. Mandeha ny fanehoan-kevitra, fizarana fanomezana, fampisehoana… Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Fikambanan’ ny tanora mandala ny fahamarinana mba ho fampandrosoana ny firenena (FTMF) eo anivon’ny Safidy, Ramiarondrabe Hajason. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao, inona no tokony hataon’ny olom-pirenena?
Ramiarondrabe Hajason (-): Mijery ireo kandidà mpifaninana eo amin’ny kaominina misy azy: iza no ben’ny Tanàna, iza no ho mpanolotsaina? Manaraka, mijery ny fandaharanasan’ireo kandidà ben’ny Tanàna. Ny olom-pirenena no manombana izay mety hanome ny filana tadiaviny eo anivon’ny kaominina. Farany, ny fijerena ny antoko na vondrona manolotra an’ireo kandidà: manao tamberin’andraikitra, mangarahara amin’ny fitantanana rehefa mahazo fahefana… ? Jerena amin’izany koa ny fanajana ny etika politika, ny soatoavina… Ireo lafin-javatra telo ireo no ahazoan’ny olom-pirenena manao tombana kandidà alohan’ny fandatsaham-bato.
* Ahoana ny amin’ny fihazakazahana amin’ny fandraisana fanomezana?
– Tsy misy lalàna mamaritra an’izay… Ao anatin’ny fahasahiranana ny olom-pirenena dia tafiditra amin’izay fandraisana izay mety ho tambiny omen’ny kandidà na antoko. Lasa tsy ao anatin’ny safidiny izy amin’izay, fa voatery noho ny zava-misy. Hanahirana ny olom-pirenena izay fa tompon-tsafidy sy mahafantatra izy. Raisina raha misy manolotra fanomezana, fa manana sy malalaka amin’ny safidy ny tena. Tsy sakanana izay fanomezana atolotry ny kandidà na antoko, fa ny olom-pirenena no mahafantatra ny zony hifidy izay tian’ny hitondra ny kaominina misy azy. Aoka mba tsy ho voavidy amin’izay mety hanovana ny safidy amin’izay hita fa hitondra ny kaominina.

* Ary ny amin’ny fisiana karazana fandrahonana?
– Mety misy tokoa ny tsindry maro… Izay tsindry izay no anentanana ny olom-pirenena: arakaraka ny isian’izay tsindry izay no vao mainka ampisehoana ny tena hoe izao na izatsy marina ny safidy. Izay ilay hoe latsa-bato famaizana. Misy izay latsa-bato famaizana izay rehefa miseho amin’ny toerana iray ny fanerena manokana ataon’ny olom-panjakana na tomponandraiki-panjakana, ohatra. Ao anatin’izay no anehoan’ny olom-pirenena ny tena safidiny, na misy aza ny karazana fandrahonana. Fandraisana andraikitra izay.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: