Hohatsaraina ny ivontoerana faminavinana ny toetry ny rano sy ny toetry ny andro eto Antananarivo. Mandray an-tanana izany ny tetikasa Produir.
Notanterahana omaly, teny Ampasapito ny fametrahana vato fototry ny asa ho fanatsarana
ny ivontoerana faminavinana ny toetry ny rano sy ny toetry ny andro eto Antananarivo. Nitarika izany ny minisitry
ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriatsitohaina Naina. Ny departemanta tarihiny rahateo no mpanatanteraka ny tetikasa. Nanotrona azy tamin’ izany ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, Ramonjavelo Valéry. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny Banky iraisam-pirenena ny tetikasa. « Tanjona ny hanatsarana ny fomba famantrana ny toetry ny andro sy ny fanapariahana ny vaovao mahakasika izany », hoy Raholijao Nirivololona, tale jeneralin’ny famantarana ny toetr’andro. Hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy ny filamatra izay apetraky ny fikambanambe maneran-tany misahana ny toetry ny andro (OMM) ny ivontoerana sy ny fitaovana ampiasana rehetra.
Potika
Simba ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa misy ankehitriny. Antitra, efa 40 taona mahery no nanorenana ny trano. Simba ny efitra misy ny fitaovana nampiasaina. Manampy trotraka ny tsy fahampian’ny fitaovana. Niharatsy ny fifandraisan-davitra sy ny fifaneraserana amin’ny OMM. Voafetra, araka izany, ny antotam-baovao sy ny vokatra azo havoaka.
Hanangana fotodrafitrasa ny tetikasa, hisy ny efitrano vaovao miisa telo hatsangana. Misy ny fanarenana ireo efa simba. Tetikasa izay hovitaina ao anatin’ny dimy volana. « Vonona hiara-hiasa hatrany ny mpikambana ao amin’ny governemanta ho an’ny fampandrosoana ny firenena », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro. Notsiahiviny tamin’ny fanendrena azy fa laharam-pahamehana ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa samihafa.
Henintsoa Hani