Tontosa ny fanaovana tombana ny zava-bita sy ny asa nentin’ny tetikasa UWS. Mikendry ny hanatsara ny fahafahana miditra amin’ny fanabeazana tsara kalitao any amin’ny faritra lavitra ny fiaraha-miasa amin’ny UWS. Asa telo no natao, fananganana fotodrafitrasa, fanofanana mpampianatra mifanaraka amin’ny fenitra avy amin’ny minisitera foibe ary fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana. Nanomboka ny taona 2022, nanangana Sekoly Fanabeazana Fototra (EPP) ary nanohana ny vondrom-piaraha-monina eny ifotony ny tetikasa. Efitrano fianarana 150 no vinavinaina fa haorina hatramin’ny 2025 ary efa vita ny112 amin’ireo.
Tamin’ity taona ity, vokatry ny fanofanana ny mpampianatra 188 tao anatin’ny tetikasa, nahatratra 99,50 % ny tahan’ny fahombiazan’ny fanadinam-panjakana CEPE izay nihoatra lavitra ny salanisa nasionaly. Nanaiky ny fisian’ireo sekoly UWS ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ka nanome fitaovana ary nanamora ny fomba fiasa ara-panjakana.
Manome lanja ny fandraisana anjaran’ny fiarahamonina amin’ny fanohanana ny FEFFI ny tetikasa.
Vonjy