Manomboka androany ka haharitra telo andro ny tsenaben’ny fizahantany andiany fahavalo sy ny tsenaben’ny asa tanana andiany voalohany. Hita eny amin’ny kianja Barea Mahamasina avokoa ireo mpikarakara fivahinianana misehatra amin’ny fizahantany sy mpanao asa tanana matihanina maro manome lanja ny vita malagasy.
Hitombo 5% ny fitomboan-karena, araka ny voasoratra anaty tetibolam-panjakana 2025. Sehatra antenaina tena hianteherana hanatrarana izany, ny fanavaozana ny harena an-kibon’ny tany, ny fanalalahana ny fifandraisan-davitra, ny fanatsarana ny satan’ny fampiasam-bola, sns.
Manomboka miakatra tsikelikely ny vidim-bary eto Antananarivo. Manodidina ny 200 Ar hatramin’ny 500 Ar isaky ny kilao eo ho eo ny fitomboana, ka lasa 3 200 Ar hatramin’ny 3 500 Ar izao ny vidin’ny makalioka sy ny vary gasy mena, raha 2 900 Ar hatramin’ny 3 200 Ar tamin’ny herinandro lasa. « Mihena ny tahiry no antony », hoy ny mpivarotra.
Miisa 727 ny tantsaha nahazo tohana ara-pambolena any Atsimo Andrefana, ny 11-17 novambra teo. Avy any amin’ny kaominina Basibasy, distrika Morombe izy ireo. Nahazo masomboly vary an-drano 8 724 kilao, zezika 14 540 kilao, zezika biolojika 72 700 kilao. Nanohana ny hetsika tetikasa Purpa eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny Fambolena.