Ady… hilaminana

 

Ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna izao. Heverina fa tsy hisy fokontany na kartie hadino. Ady fiady… Mifankahalala ary miresaka ny amin’ny kandidà sy izay fandaharanasany hampandrosoana ny tanàna ny mponina sy ny isan-tokantrano? Tena akaiky vahoaka sy ifotony ny raha­raha: fampielezan-kevitra, fandatsaham-bato, fanisam-bato…. Mafy ny fifaninanana amin’izany. Miharihary ho azy eny izay tsy manan-kevitra, ohatra, fa hanambitamby fotsiny, na manao fampanantenana poakaty, na mandrebireby vahoaka…
Fantatry ny vahoaka ifotony izay tena mahafantatra azy? Mahafantatra koa ny olany, ny hetahetany, izay manaja sy mihaino azy… Hatramin’izay mety ho fandaharanasa na fanamby mety ho vita sy azo tanterahina na tsia. Mahalala ny tantara sy ny tantana amin’ny tanàna hatramin’izay ny mponina ifotony. Eny, hatramin’izay efa nirotsa-kofidina hatramin’izay, ny fampanantenana tanteraka na tsia, ny fomba fiasa nifandimby… Tsy moramora na heverina ho mandeha ho azy ny fandresen-dahatra amin’izany. Mila faha­matorana, fahitsiana, fifankahazarana amin’ny mpo­nina, fifampitokisana…
Raha tsy izany, ahina na mety ho ady saritaka ny raharaha? Amborivory na amboletra, ao anatin’ny teritery fa tsy fahalalahana sy fahalalana, fifanenjanana na fifanenjehana, an-kasomparana… Izy avokoa izany? Ny amisavisana ny ratsy mba hiavian’ny soa, sao… Izay no maha zava-dehibe ny hoe ampiadio ny hevitra… hilaminana. Tsy ny fampiadiana hevitra ihany no hampilamina amin’izany, fa ny hevitra aely koa no milamina: foto-kevitra, vinam-piarahamonina, fandaharanasa, fomba fiasa… Tsy bodo na bado ny vahoaka
ifotony: izay mahafantatra azy no fantany, izay manome hasina no hasininy…

R. Nd.

Partager sur: