ASFM : 30 taona nikojana ny zavamaniry

Loharanom-bahaolana sy fanantenana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny voka-pikarohana. Mandray anjara amin’izany ireo vehivavy mpikaroka ao amin’ny fikambanana siansa sy vehivavy eto Madagasikara (ASFM) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Anisany iantsorohan’izy ireo ny fanaraha-maso sy fikojakojana ireo zavamaniry tsy hita raha tsy eto Madagasikara, novolen’izy ireo ao amin’ny Tapimasoandro, toerana famantarana ny valanjavaboahary Tsimbazaza.
Natomboka ny talata lasa teo ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroany. Notokanana, nandritra izany, ny takela-pahatsiarovana nanamarihan’ izy ireo ny fanoloran-tena maharitra ho an’ny fikarohana. Napetraka ihany koa ireo takelaka mitondra ny anaran’ireo zavamaniry isan-tsokajiny. Hitohy mandritra ity taona 2024 ity ny fankalazana, mitondra ny lohahevitra : “Fa maninona no zava-dehibe ny siansa: misarika ny saina sy manome hery ny ho avy”, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Pr Ranaivosoa Voajanahary. Nanome voninahitra ny hetsika ny filohan’ny Akademia Malagasy sady reny mpiahy ny fikambanana, Pr Rabenoro Irène.

Vonjy

Partager sur: