Fahasalamana eto Madagasikara : manamafy ny fanaraha-maso ny fampiasam-bola i Etazonia

Miara-miasa hatrany amin’ny governemanta malagasy ny governemanta amerikanina, indrindra eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Hamafisin’izy ireo ny fanaraha-maso ny fampiasam-bola eo amin’io sehatra iray io.

Manamafy ny fanaraha-maso ny rafitra fampiasam-bola eo amin’ ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara ny governemanta amerikana, amin’ny alalan’ny Sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID). “Zava-dehibe ny fananana antontanisa mazava sy mangarahara momba ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny fahasalamana”, hoy ny tale lefitra mpisolo toerana misahana ny fahasalamana eo anivon’ny USAID, Razafindrafito Haja, nandritra ny fampahafantarana ny vokatry ny tetikasa Compte national de la santé (CNS) ho an’ny taona 2022, omaly. Nanohana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hatrany ny USAID. Tanjona ny hametrahana rafitra maharitra sy mirindra hanara-maso ny fandaniana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.

Niakatra ny saran’ny fitsaboana

Niakatra ny saran’ny fitsaboana raha ny eto Mada­gasikara ary zakain’ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona ny ampahany betsaka amin’izany. Miantraika amin’ny tsirairay ny fiakarana ary manasarotra ny fisitrahana fitsaboana izany. Mahatonga fihenan’ny vola hiatrehina ny filana fototra hafa ny fiakaran’ny vola lany amin’ny fitandrovam-pahasalamana. Ny fahatsapana izany olana izany ny antony nahatonga ny USAID hanamafy ny fahavononany hiara-hiasa hatrany amin’ny governemanta malagasy. Amin’ny alalan’ny fanohanana sy fametrahana rafi-piahiana ara-pahasalamana ho an’ny rehetra eto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Sampandraharahan’ ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) izy ireo amin’ny fanantanterahana izany. Hisy ny fanomezana tari-dalana mo­mba ny politika ara-pahasalamana eto amin’ny Nosy.

Mino

Partager sur: