Famonoana ben’ny Tanàna : Sivily 33 sy miaramila dimy notsaraina

Niakatra fitsarana, omaly, ny olona 33 mianadahy, voarohirohy tamin’ny famonoana ben’ny Tanàna tao Andranomiely, ny 7 janoary 2024. Miaramila niasa tany an-toerana ny dimy.

Notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Ankazobe ny fitsarana ilay raharaha nahafatesana ny ben’ny Tanànan’Andrano­miely. Miisa 38 ireo olona voarohirohy tamin’ity raharaha ity, ahitana miaramila dimy amin’ireto voampanga nentina teny amin’ny fitsarana ireto. Notafihin’ny jiolahy tao an- tranony ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambanivohitr’An­dranomiely, distrikan’Ankazo­be, ny alin’ny 7 janoary 2024. Voampanga tamin’izany ny olona valo, nahitana miaramila, lehiben’ny fokontany ary olon-tsotra. Efa samy naiditra am-ponja avokoa izy ireo tamin’io fotoana io. Nitohy ny fanadihadiana nataon’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ankazobe, niaraka tamin’ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava. Nahitam-bokany izany ka niafara ta­min’ny fampidirana am-ponja ireo voarohirohy teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy. Vehivavy fito nalefa nofonjaina ao amin’ny fonjaben’Ankazobe. Vehivavy iray hafa eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.

Andrasana ny valin’ny fitsarana…
Nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ny fotoam-pitsarana ka mbola nitohy hatra­min’ny halina. Tsy mbola vita ny fotoam-pitsarana hatramin’ny ora farany nanoratanay. Mbola tao anatin’ny fihainoana ireo voampanga rahateo ny mpitsara. Anisan’ireo atidoha nikotrika ny famonoana ity ben’ny Tanàna ity rahateo tamin’io fotoana io ny lefiny. Nenjehina ho tompon’antoka tamin’izao raharaha izao izy tamin’ny alalan’ny famonoana olona efa nomanina mialoha. Nikasa hirotsaka hofidina ho ben’ny Tanàna izy ka izany no antony nahatonga azy nikotrika izao vonoan’olona izao, araka ny nambarany teo anoloan’ny mpanao famotorana. Andrasana, araka izany, ny valin’ny fitsarana momba ity raharaha ity.
Sazy asa an-terivozona mandra-pahafaty no voafaritry ny lalàna amin’ny fanenjehana toy itony raha voafaritry ny fitsarana ady heloka bevava ny mahameloka tokoa ny voampanga.

J.C

Partager sur: