FIAMPEBA : misehatra amin’ny sosialy sy ara-toekarena

Tafajoro tamin’ny fomba ofisialy ny Fikambanan’ny ampela bara (Fiampeba) eto Madagasikara. Nampahafan­tarina ny mpanao gazety tetsy Ambohitrarahaba izany, oma­ly. Mpikambana ao avokoa ny ampela bara rehetra maherin’ ny 18 taona manerana ireo disitrika 13, ahitana ny foko bara. Fikambanana mijoro amin’ny fanaovana asa sosialy sy ny lafiny ara-toekarena, ary hisitraka tombontsoa amin’izany ireo mpikambana rehetra tsy ankanavaka. Tanjon’ny fikambanana ny hampivotra sy hanatsarana ny velon-tenan’ireo vehivavy bara rehetra amin’ireo disitrika misy azy ireo . Ho fanatanterahana izany, ilaina ny fanatsarana ny fitaovana ho an’ny fambolena moderina, toy ny voly vary maro anaka sy fanaovana vaksiny ny biby fiompy. Mpi­ompy avokoa ny 98% ny vehivavy bara ka anton’izany. Eo koa ny famoronana asa ho azy ireo sy hitadiavana lalam-barotra amin’ireo vokatry ny asa tanana. Ankoatra izay, ny fampiofanana sy fananganana tetikasa maharitra sy mahavelona ary fanakaikezana ny ampela. Misy andininy 19 ny fitsipika sy sata mifehy ary mandrafitra ny fikambanana. Tonga nanatrika izany ny solontena isaky ny distrika, ny avy amin’ny Fizafato, Fitiba avy any Ihosy, ny AFF, ary ny fikambanana Mamiratra. Mari­hina fa tsy manao politika ny fikambanana.

Mino

Partager sur: