Fort Dauphin: haverina ny « Sambaraha »

Hisesy ny lanonana faran’ ny taona any Fort Dauphin. Hotontosaina ny 26 hatramin’ ny 29 desambra izao ny andiany fahafito amin’ny « Festival Sambaraha ». 7 taona no niato ity hetsika ity, ka tamin-kafaliana no nanambaran’ny fikambanana Hoa­vign’Anôsy, omaly, tetsy amin’ny Telma Andraharo ny fiverenany. « Hatao fotoan-dehibe isan-taona ny hetsika, hampiakarana ny lafiny toekarena, ny fizahantany, ny fanatanjahantena fa indrindra ny kolontsaina ao amin’ny faritra Anôsy », hoy ny nambaran-dRakotovelomanantsoa Voa­hary, governoran’ny faritra no sady mpiahy ny hetsika.
Hanomezana sehatra bebe kokoa ny zanatany ireo efatra andro ireo. Aorian’ny « carnaval » hamakivaky ny tanàna, ny fanokafana ireo tranoheva fampirantiana, ny 26 desambra. Arahin’ny fifaninanana « Miss sambaraha » izany ny alina, ary hofaranana amin’ny afomanga. Ankoatra ireo mpanakanto avy ao an-toerana izay hanafana ny fotoana isan’andro, handray anjara amin’ny seho faradoboka ry Tence Mena, Blaise, Mirasoa ary Mamoa sy ny tsy ampoizina hafa.

Zo ny Aina

Partager sur: