Hira malagasy: Aleo mamerina toy izay mamorona…

Tsena be velarana ny tontolon’ny hira malagasy. Marobe ny manan-talenta miditra ao aminy. Misy ireo migoka ny mamy. Ao ireo Ramiangaly, miala ny rano faingana raha vao mahatsiaro hafahafa. Manomboka mihamaro kosa ny manao kajikajy noho ny antony samihafa!

Mitombo isa andro aman’alina ireo mpihira mamerina ny sanganasan’ireo teo aloha. Toa hifandrombahana indray ny mamelona sy mamerina ny hiran-dry Naly Rakotofiringa, Kaiamba, Frères Arthur, Ny Voanio, Naka Rabemanantsoa, Les Typhons, Ny Nanahary, sns. Ny azo antoka, mahatety vanim-potoana ny hira tahaka ireny. Tsara fototra ka tsy sarotra intsony ny misintona olona aminy. Mora sarihina hiverina amin’ny karazan-kira tahaka ireny ihany koa ny Malagasy, satria, leon’ny drindrangilo… Noho izany, aleon’ny mpihira na tarika mamerina toy izay mamorona. Tsy dia sarotra rahateo ny fepetra arahina amin’ny fanatanterahana izany.
Na manam-piniavana hamorona tahaka ireny karazan-kira ireny aza ireo mpamorona ankehitriny, matahotra sy miahiahy, tsy hisy mpijery. Satria, heverin’izy ireo fa mbola ho sarotra ny hamolaka ny sofin’ny Malagasy. Mbola eo koa ilay fitiavana mandray ny efa vonona. Mety vokatry ny hakamoan-tsaina ihany koa!
Mahay ny mpamorona fahiny?

Sarotra « hono » ny mamaritra ny hoe « mahay » eo amin’ ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Porofo tsy azo lavina, anefa, ny tahaka izao. Tsy mahay ve izy ireny (mpamoron-kira niaina fahiny) ka nahoana no mateza be ny sanganasany? Ireny famoronana nataon-dry zareo ireny ve tsy manamporofo fa tosiky ny aingam-panahy tokoa fa tsy kivalavala nipoipoitra fahatany?
Hoy i Henri Ratsimbazafy: « anisan’ny nampiavaka ny famoronan-kira fahiny ny tsy mba nampiasana zavamaneno maro sy raitra tahaka ny fahita ankehitriny ». Mbola porofo hoenti-milaza ihany io fa « mahay » ny mpamoron-kira fahiny. Sa ve sarotra ny manaiky izany?
… Mety « tsy mahay » tokoa, angamba, ny mpamoron-kira fahiny fa mba nifanitsy tamin’ny filana sy fitiavan’ny olona niaina tamin’izany ny tolotra nomeny. Raha izay indray, nahoana no mbola tsy afaka eny am-bavan’ny olona ny famoronana nataon-dry zareo hatramin’izao?
… « Mahay », « tsy mahay » ? Aleo ny « mpanjifa » no hamaly an’io. Aleo ny vanim-potoana no hanambara ny valiny!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: