INDRAY MIJERY

Tohin’ilay tolotrasa handraisana mpiasa mankany Canada, efa mandeha eto Antananarivo, amin’izao fotoana izao, ny “entretien” ho an’ireo olona voasivana ka nahazo fiantsoana. Tonga eto amintsika ireo tompona orinasa avy any Canada miresaka mivantana amin’ireo kandidà. Ny HR Pro no tompon’antoka amin’ny fikarakarana ity fandraisana mpiasa ho any Canada ity. Ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana no manamora ny fampahafantarana ilay tolotrasa.
Tonga nitsidika ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny masoivohon’i Algérie eto Madagasikara. Nodinihina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, indrindra amin’ny fifampizarana traikefa. Manana ireo ivontoeram-panofanana maro i Algérie ka nojerena ny fomba hampiharana ny modely algeriana eto amintsika sy ny hahafahan’ny mpiofana manovo fahalalana any Algérie amin’ny alalan’ny fiofanana mifandimby.
Tena liana ka tonga maro ireo mpandraharahan’ny Oniversiten’ny Mahajanga, nijery ny toe-pahasalamany tamin’ny fitiliana diabeta, cholestérol, tosidra. Efa misokatra koa ny « service médical » ho an’ny eny amin’ny Kakal. Ireo mpampianatra, mpandraharaha sy ireo vady aman-janany no misitraka ny tolotra.
Miandrandra oram-baratra ny eto afovoantany, manomboka anio hatramin’ny faran’ny herinandro, araka ny voalazan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro.

Partager sur: