“Aoka kosa mba tsy hafangaro amin’ny famendrofendroana sy ny fanasoketana ary fivoizana zavatra tsy marina ny fanakianana sy ny fanitsiana. Ilaina tokoa ny fanakianana sy ny fanitsiana”. Izay ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo, teny Anosy, omaly, manoloana ny famoahana fanambarana miendrika fihantsiana na fanaratsiana ny fitondrana manoloana ny fiatrehana fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, amin’ny 11 desambra ho avy izao. Tokony ho resaka fampitoniana sy fandaminana ny saim-bahoaka no atao, fa tsy famendrofendroana na fanakiviana, sanatria. Tahaka izay niseho nataon’ny sasany, izay tsy tahotra tsy henatra milaza fa hoe: manoloana ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny, hono, dia miraviravy tanana sy mijery fotsiny ny fitondram-panjakana.
“Miantso ny vahoaka mba ho tony”, hoy izy. Ary aoka tsy ho voatariky ny teny fihantsiana sy fanaratsiana. Ny fitondram-panjakana amin’ izao fotoana izao dia mitana ny teny nomeny ary izay zavatra lazainy dia tanterahiny, na inona na inona resaka atao etsy sy eroa. Nataony ho porofo amin’izany ny fitokanana fotodrafitrasa vita any Toamasina farany teo: fanamboaran-dalana, kianja mitafo. Efa miezaka manatanteraka ny teny nomeny ny fitondram-panjakana, ka tsy tokony ho voatariky ny karazana fihantsiana sy fanaratsiana ny vahoaka.
R. Nd.