Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Toamasina, omaly, ny jiolahy iray voarohirohy ho mpivarotra basy tsy ara-dalàna. Nikasa hivarotra bala ity jiolahy ity kanjo efa nahazo loharanom-baovao mialoha ny zandary ka niroso tamin’ny fisavana ny tranony. Voamarina tokoa izany. Satria, tratra izy niaraka tamin’ny bala marobe miisa 89. Efa teo am-pikasana hivarotra izany izy no tonga tampoka ny zandary. Nahitana karazany maro ireo bala ireo. Balana calibre 8 mm (PA Revolver) miisa 53, bala miisa telo PA 6,35 mm, bala miisa 33 ho an’ny PA 7,65. Tao anatin’ny famotorana savaranonando nataon’ny zandary no nahafantarana fa nokasaina hamidy sy haparitaka ao Toamasina ireto bala ireto. Olona telo no indray voarohirohy amin’izao raharaha izao ka eo am-pikarohana ny olona fahatelo ny zandary. « Tsara ny mampahafantatra fa tsy azon’ny olon-tsotra atao ny manao asa fivelomana amin’ny fivarotana fitaovam-piadiana. Mila fahazoan-dalàna ara-panjakana avokoa na ny mpivarotra na ny mpividy », araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Toamasina, ny kapiteny Andriamasiarivelo Dinah Frédéric. Nanamafy ity manamboninahitra ity fa manao ezaka ny hamongorana ireo mpanao asa ratsy sy ireo singa rehetra mampisy tsy fandriampahalemana ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana ny mpitandro filaminana.
J.C