Rasoamaromaka Hery: “Mahaiza mijery izay hiara-miasa amin’ny fitondrana”

Ao anaty fampielezan-kevitra ny kandidà hofidina ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna, ankehitriny. Mila mahay mijery izay olona hiara-miasa amin’ny fitondrana ny vahoaka, araka ny hevitry ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery.

Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Ny ahy ny teniko dia izao: mahaiza mijery izay olona hiara-miasa amin’ny fitondrana. Satria efa nisafidy ny filohan’ny Repo­blika isika”, hoy ny kabarin’ny governoran’ny faritra Anala­manga sady sekretera nasionalin’ny antoko TGV, Rasoa­ma­romaka Hery, omaly. Nanara­raotra ny fanombohana ny Tsenaben’ny fizahantany an­diany fahavalo sy ny Tsenaben’ ny asa tanana andiany voalohany, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, izy nanaovana ny fanambarana. Nasiany tsindrim-peo, araka izany, ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina amin’ny 11 de­sambra ho avy izao. ”Efa misy ny maro anisa eny amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona. Tsy ny resaka ben’ny Tanàna akory no hanakana fampandrosoana. Na izay koa na hoe entina hanakorontanana ny tanàna. Mila miray hina isika rehetra: ahoana no hanarenantsika ity firenena ity?” hoy hatrany izy.
“Efa miezaka ny fitondram-panjakana amin’ny famahana ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano amin’izao fotoana izao. Eo koa izay manahirana ny vahoaka… Mila ampiana izy ireo amin’izany”, hoy izy nankahery an’ireo mpikam­ban’ny governemanta tonga teny an-toerana. “Araka ny tenin’ny filohan’ny Repoblika, ny tena zava-dehibe dia ny tsy fandehanana any amin’ny iraka ampanaovina ny tena fa ny hoe: vita ve ilay iraka? Izay no itaizan’ny filoha… Maha­faty baolina ny governemanta vao natsangana. Miandry azy ireo ny vahoaka”, hoy izy nama­rana ny lahateniny.

R. Nd.

Partager sur: