SOMBIM-BAOVAO

Navoakan’i El Hadari tao amin’ny pejy facebook fa efa mpilalaon’ny Paris FC, diviziona
faharoa ao France, ny tenany. Mitondra ny laharana faha-19 ny tenany ao amin’ity klioba frantsay ity. Tsiahivina fa ani­san’ny angady nananana sy vy nahitany izao fifindrana izao i Lalaina Nomenjanahary na i Bolida, izay Malagasy nilalao tao amin’ny Paris FC teo aloha.

Afaka roa andro, hanomboka eto Antana­narivo ilay hazakazaka mitety natiora sy vohitra, Trail UCTS. Efa tonga afakomaly ireo renioney mpilalao handray anjara amin’izany. Tsiahivina fa natao hampandrosoana ny tontolon’ny fizahantany sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara ity Trail UCTS andiany fahadimy ity.

Hafana ny lalao famaranana, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, federaly II, “XXL Top 20”, izay hatao ny alahady ho avy izao, etsy Andohatapenaka. Ny ekipan’ny 3FAI Amba­lavao Isotry sy ny CEA Andranomanalina no hiady amin’izany. Tsia­hivina fa mbola manalavela ny CEA.

Efa fantatra avokoa ireo ekipa 24 hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja bao­lina kitra “Can 2025”, izay hotontosaina any Maroc. Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ireo firenena sangany tsy tafita tamin’ity Can ity, i Ghana sy i Guinée. Marihina fa ny ekipam-pirenen’i Côte d’Ivoire no tompondaka farany.

Partager sur: