Niverina ny delestazy amin’ny atoandro, nanomboka omaly. Maharitra adiny 2 ora ny fahatapahan-jiro mifandimby hatramin’ny 5 ora hariva, ankoatra ny amin’ny 10 ora alina mandra-maraina. Antony, simba ny milina roa, an’ny Aksaf, eny Ambohimanambola sy ny milina iray, an’ny Afripower, eny Mandoseza. Kely koa ny haavon’ny rano ao Andekaleka.
Miantso ireo tompona fiaramanidina hanala izany eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Aviation civile de Madagascar (ACM) taorian’ny tranga niseho ny talata teo. Tsiahivina fa fiaramanidina miisa dimy sy angidimby iray no may nandritra ny loza. Ireto farany izay voalaza fa efa tsy am-perinasa intsony hatramin’ny taona 2012.
Tafakatra 66 000Ar ny vidin’ny entona fandrehitra (Gaz) 9 kilao amin’izao raha toa ka 62 800Ar izany teo aloha. Lasa 29 500Ar kosa ireo anaty tavoahangy 4 kilao raha nojifaina 26 900Ar. Ankehitriny, vidina 91 500Ar ny entona fandrehitra amina tavoahangy 12 kilao, novidina 86 600Ar kosa izany teo aloha
Efa misokatra ny tapany faharoa amin’ny arabe Boulevard Ratsimilaho Toamasina, nanomboka ny alahady 17 novambra teo, mirefy 1,6 km. Simban’ny rivodoza nisesy nanomboka ny taona 1986 ity lalana ity. Nandritra ny 3 volana ny asa, avy amin’ny famatsiam-bola anatiny an’ny fanjakana (RPI). Mirefy 1,8 km ny tapany voalohany.